Fiofanana momba ny Sakaizan’ny Fiangonana

Tetik’asa vaovao manomboka amin’ity taona 2021 ity ny Sakaizan’ny Fiangonana. Neken’ny Mpandray tamin’ny fivoriam-be tamin’ny volana martsa 2021 ny fanatanterahana izany.

Ahafahana manolotra hatrany ny fanazavana rehetra ho an’ny Fiangonana iray manontolo dia hisy ny fiofanana izay nomanin’ny Komity Sakaizan’ny Fiangonana ho antsika.

Ireto avy ireo daty hanatanterahana ny fiofanana:

  • Alahady 5 septambra 2021, mandritra ny fanompoam-pivavahana any Saint-Julien.
  • Alahady 26 septambra 2021, mandritra ny Ankatoky ny Fandraisana ao Gland.

Fanazavana fanampiny: bureau@fjkm-gland.ch

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana