Fetim-pirenena – Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana 27 jona 2021

Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay notanterahina ny Alahady 27 jona 2021 nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro tao amin’ny Eglise Adventiste de Collonges-sous-Salève. Izany dia notanterahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fitrotroana am-bavaka ny Tanindrazantsika noho ny tsingerin-taona faha-61 niverenan’ny Fahaleovantena ary nanasana ny Malagasy tsy an-kanavaka eto Soisa sy Frantsa manodidina.

Nisy ny barquettes nozaraina taorian’ny fotoam-pivavahana.

Indro ny rohy hahafahantsika mijery ny fotoam-pivavahana.

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.