Fetim-pirenena – Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana 27 jona 2021

Indro alefa amintsika izao fanasàna avy amin’ny Masoivohion’i Madagasikara eto Soisa izao:

FANASANA

Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fitrotroana am-bavaka ny Tanindrazantsika noho ny tsingerin-taona faha-61 niverenan’ny Fahaleovantena dia am-pifaliana no hanasana ny Malagasy tsy an-kanavaka eto Soisa sy Frantsa manodidina hanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay tanterahina ny Alahady 27 jona 2021 manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny:

Eglise Adventiste de Collonges-sous-Salève
131 Route du Pérouzet
74160 Collonges-sous-Salève

Hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana hifampizarantsika aorian’ny fotoam-pivavahana, izay tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezan-tsika mianakavy.

Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia asaina ny isam-pianakaviana hisoratra anarana amin’ny rohy hitantsika eto ambany :

https://forms.gle/B79Xqf2SbTzTAzG67

Ny Mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana
Masoivohon’i Madagasikara eto Soisa

Manasa antsika mpiara-mivavaka eto amin’ny FJKM-Gland samy hitondra « après-culte » sahaza hifampizarana aorian’ny fotoana.