Fiarahabana Paska 2021 avy amin’ny Biraon’ny Synodamparitany

“Fa voavono I Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7b

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany; ary avy amin’i Jesoa Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany ». Amena. (Apo.1:4-5)

Ry havana,

Ny Filoha sy ny Birao mpiara-miasa aminy ato amin’ny SP37 dia faly miarahaba antsika tsy an-kanavaka nahatratra izao andro Paska taona 2021 izao .

Miara-midera an’Andriamanitra isika, fa na dia eo aza ny olana maro samihafa eo amin’ny fivezivezena dia afaka miara-mamonjy Fiangonana, mihaino ny Tenin’Andriamanitra, sy mandray ny Fanasan’ny Tompo isika amin’izao andro Paska izao (tsy tahaka ny tamin’ny taona lasa).

Noho izany dia araraoty, ry havana, ny fampiorenana ny finoana amin’ny fanavotan’I Kristy fa iaraha-mahita fa miara-ratsy izao fiainana izao.

Koa, miombona tsara amin’ny fifankatiavana masina, mifampivavaha mandrakariva ary mahareta amin’ny Fitoriana ny Filazantsaran’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

“Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy” (Mat.26:7a)

Ho anareo anatin’ny tsy fahasalamana, sy manana fianakaviana tsy salama sy ireo namoy havana dia mampahery sy mahatsiaro am-bavaka anareo izahay ary mitondra izao Teny fampaherezana izao: “Hoy I Jesoa: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” (Jao.11:25-26)

Mirary antsika samy hanao Paska Sambatra miaraka amin’ny fitandroana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fandaminana napetraky ny fanjakana, ry havana.

Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa, samia ho tahian’Andriamanitra

Ny Filoha: Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves
Ny Mpitantsoratra: Ny Mpitandrina RASOAVIMBAHOAKA Fanjanavalona