Vaovaon’ny sampana dorkasy

Ny Biraon’ny Sampana Dorkasy dia maneho fisaorana feno sy fankasitrahana ny Raiamandreny Mpitandrina RAKOTOMANANA Tahiry sy ny vehivavy rehetra ary indrindra ny Fiangonana manontolo tamin’ny nahatontosana ny Alahadin’ny Dorkasy tamin’ny 11 aprily 2021 lasa teo. Ny asa vavolombelona notanterahin’ny sampana Dorkasy dia azo jerena amin’ny rohy etsy ambany.


Ny fianarana Soratra Masina izay tanterahan’ny Sampana Dorkasy miaraka amin’ny Raiamandreny Mpitandrina RAKOTOMANANA Tahiry isaky ny roa volana dia tontosa soa aman-tsara ihany koa tamin’ny Sabotsy 17 Aprily 2021 ka ny lohahevitra dia: “Vehivavy Kristianina manoloana ny fiaraha-monina sy ny fivoarana “.
Ny fotoana manaraka hianarana Soratra Masina indray dia amin’ny Sabotsy 19 Jona 2021 ary hanasana ny vehivavy rehetra.