Tetik’andron’ny SP37, taona 2027

Tontosa soa aman-tsara tamin’ny 31 oktobra sy 1 novambra 2026 lasa teo ny Fivoriamben’ny Synodamparitany 37 nahafahana nanapaka ny tetik’andron’ny SP37 mandritra ny taona 2027. Isaorana an’Andriamanitra izany. Koa indro ny andinindininy azo atolotra amin’izany.

  • 16 janoary: Komity Lehiben’ny SAFIF SP37
  • 30 janoary: Taom-baovao SP, fitondrana am-bavaka ny taom-piasana, fiarahabana ny Filohan’ny SP, fivorian’ny MD sy KL
  • 6 martsa: Hetsika SP
  • 25 martsa: Fanompoam-pivavahana SP37 alakamisy masina isaky ny faritra
  • 15 mey: Faha-folo taonan’ny FJKM Filadelfia Meaux
  • 5 jona: Fiofanan’ny Biraon’ny Sampana sy Sampan’Asa ary Asa Foibe aty amin’ny SP
  • 26 jona: Fitondrana am-bavaka ny firenena
  • 19 septambra: Alahadin’ny Synodam-paritany
  • 25 septambra: Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajaonah Lalaina, FJKM Peniela Fitiavana
  • 30 sy 31 oktobra: Fivoriam-be any amin’ny Faritany, MD, KL
  • 25 desambra: Faha-20 taonan’ny FJKM-Gland Fahasoavana