[RETOUR] Soirée de Levée de Fonds 2026

Fisaorana feno sy fanehoan-kevitra mahafaly: Soirée de Levée de Fonds tamin’ny 24 Oktobra 2026

Faly sy afa-po tanteraka ny Mpitandrina sy ny Komity eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana nahavita nanatanteraka ny Soirée Levée de Fonds, izay natao ny Sabotsy 24 Oktobra 2026 lasa teo.

Fotoana feno hafanana sy firaisankina

Feno fisaorana ny fonay manoloana ny fahatongavan’ireo vahiny maro be nanome voninahitra ity hetsika lehibe ity. Fotoana mamirapiratra, feno fifampizarana, hafanana ary fiarahana nahafinaritra tokoa no niainantsika, niaraka tamin’ny Fiangonana sy ireo mpanohana rehetra.

Ny fahatongavanareo, ny fanomezana ary ny fanohanana nomenareo dia tanjaka lehibe sy fanampiana sarobidy ho an’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo sy ireo tetikasan’ny Fiangonana.

Misaotra anareo amin’ny fo manontolo noho ny fahatongavanareo sy ny fanohanana feno nomenareo!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *