Araka ny tapaka teo anivon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny fiangonana dia nanao ny hetsika tamin’ny 21 ka hatramin’ny 25 Septambra 2026. Natao tamin’ny alalan’ny Zoom izany isaky ny tamin’ny 8 ora alina, notarihin’ireo sampana isan-karazany, ary ny Mpitandrina Zo Ratsimandisa no nitondra ny hafatra sy fampianarana. Ny teny faneva nentina nanamarihana izany dia ny hoe: « Mahefà be mandrakariava ao amin’ny asan’ny Tompo » (1 Korintiana 15:58d).
