Fandraisan-tanana Mpitandrina Septambra 2026

Isaorana an’Andriamanitra fa nisy fandraisan-tanana Mpitandrina roa (2) teto amin’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina 37. Ny Fandraisan-tanana dia fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny Mpitandrina eo amin’ny Fitandremana iray.

Ny sabotsy 5 septambra dia ny Mpitandrina RANDRIAMAHAZAKA Selasoa no nananteraka izany teo anivon’ny FJKM Betela Fahamarinana.

Ny sabotsy 12 septambra dia ny Mpitandrina RAHANDRIFENOSOA Tahina no nanatanteraka izany teo anivon’ny FJKM Stuttgart Fahazavana.

Afaka nandefa solontena isika teto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana. Ireto avy ny sary nandritra izany fotoana izany.