Fihaonambe SP37: 31 Oktobra sy 1 Novambra

Araka ny efa fantatsika dia ny sabotsy 31 Oktobra sy ny alahady 1 Novambra ho avy izao no hanatanterahana ny Fivoriambe ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitan-Dranomasina izay atao ao LUNE D’OR ao Villabé.

Toy ny efa fanao isan-taona, dia hisy ny takarivam-pifaliana izay hanasana ny Fitandremana sy ny VOMM ary ny sampana tsirairay avy ao amin’ny SP37 handray anjara seho kanto. Amin’izany dia angatahina hanomana anjara 2 ka ny 1 ho fiandry.

Toy izao ny fandaminana: 

Angatahana isika hamaritra ny fikambanana misy antsika na Sampana na fikambanana tsotra ary hanome ny anaran’izay mpitarika miaraka amin’ny laharana finday ahafahana mifandray aminy. 

Angatahana isika hanome ny tononkira, hampahafantatra ny zavamaneno ilain’ireo mpitendry amin’izany.