Pst. Randriamahazaka Selasoa mivady
Mampahafantatra ny FJKM Betela Fahamarinana Paris sy ny VOMM FJKM Chartres fa hisy ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Randriamahazaka Selasoa mivady.
📅 Sabotsy 05 Septambra 2026
🕥 Manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina
📍 Chapelle Saint René (83 Albert Petit, 92220 Bagneux)
Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy ihany koa ny fiaraha-misakafo sy ny fiombonana ho fanamarihana izany fotoana manan-danja izany.
🍽️ Lumières d’Asie (8 bis avenue Stalingrad, 94260 Fresnes)
👫 solontena roa (2) avy amin’ny Fiangonana tsirairay

Pst. Rahandrifenosoa Tahina mivady
Mampahafantatra ny FJKM Stuttgart Fahazavana fa hisy ny fandraisan-tanana an’i Pasteur Rahandrifenosoa Tahina mivady, amin’ny fiaraha-mivavaka sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
📅 Asabotsy 12 Septambra 2026
🕙 Manomboka amin’ny 10 ora
📍 FJKM Stuttgart Fahazavana
Ny fotoam-pivavahana dia hotanterahina eo ambany fitarihan’ny SPVFA 37. Aorian’ny fotoana dia hisy sakafo hozaraina (en barquette) ho an’ireo izay nisoratra anarana hatramin’ny 31 Aogositra.
📝 Fisoratana anarana: amin’ny alalan’ny formulaire natokana ho amin’izany.

