Herinandron’ny Fampianaram-pinoana : 21-25 septembre 2026

« Mahefà be mandrakariava ao amin’ny asan’ny Tompo » (1Kor 15,58d)

Tapaka teo anivon’ny fivorian’ny MF (mpiandraikitra Foibe) ny hisian’ny « Herinandro’ny Fampianaram-pinoana » ny 21 Septambra 2026 ka hatramin’ny 25 Septambra ho avy izao.

Atao izany mba hiorenantsika be be kokoa hatrany amin’ny finoana.

Ny mahakasika ny Fiangonana FJKM Gland dia hotanterahina amin’ny alalan’ny « Zoom » ny fotoam-pivavahana ka manomboka amin’ny 8 ora ariva, ary ho tarihan’ny Sampana tsirairay avy mandritra ny herinandro araka ny fandaminana.

Ny Mpitandrina Zo Ratsimandisa no hanome ny hafatra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *