« Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo » 1 Korintiana 3, 9
Isaorana an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fandraisan-tanana ho Mpitandrina eo amin’ny Fitandremana FJKM Strasbourg Famonjena sy Freiburg Fiderana ary ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-30 taona naha-mpitandrina an’Andriamatoa RAMANANTSOA Tovo Fetr’Antenaina mivady
Notontosaina ny 13 jona 2026 lasa teo tao amin’ny toerana hiangonan’ny FJKM Strasbourg ny fotoana. Notarihin’ny Biraon’ny Synodamparitany ny fotoana ary ny Filohan’ny Synodamparitany, ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Tenin’Andriamanitra notorina dia nampivoitra ny maha-zava-dehibe ny iraka tanterahin’ny Mpitandrina eo amin’ny Fitandremana ary ny maha-sahan’Andriamanitra, fa tsy sahan’ny olona, ny Fitandremana.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy lanonana ny fotoana.






