Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia ho tanterahina ny sabotsy 13 jona 2026 ho avy izao amin’ny 11 ora atoandro ao amin’ny Fiangonana Protestanta ao SCHILTIGHEIM, ny fandraisan-tànana sy fankalazana ny jobily faha-30 taona maha-Mpitandrina an’Andriamatoa RAMANANTSOA Tovo Fetr’Antenaina mianakavy.
Koa fifaliana ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Strasbourg Famonjena ary ny FJKM Freiburg Fiderana Allemagne ny manasa antsika hanotrona azy ireo amin’izany. Ary aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy ny fiaraha-misakafo izay hanasan’izy ireo ny Mpitandrina sy olona 2 avy eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana.
