Hetsika SLDor SP37 : 25 Aprily 2026
« Midera azy noho ny asany lehibe: Midera azy Araka ny haben’ny voninahiny. » Sal 150:2
FISAORANA
Misaotra an’Andriamanitra sy Jeso Kristy Tompo ,
Misaotra sy mankasitra anareo Birao, ny Komity Lehibe, ireo solontena rehetra teny anivon’ny fitandremana ary ny Mpikambana ato amin’ny Sampana Lehilahy Kristiana tsy ankanavaka noho ny nahatanterahan’ny Hetsika omaly 25 Aprily.
Araka ny akony azo avy amin’ny mpanatrika, dia nahafa-po ny antsam-piderana nasehon’ireo nandray anjara rehetra sy ny mpanakanto, nahafa-po ny sakafo, ary nizotra tsara ny fandaminana na teo amin’ny accueil na teo amin’ny fizarana ny sakafo.
Izany no tontosa dia noho ny fahaizantsika niara-niasa tamim-pitiavana sy firahalahiana. Hita soritra fa ny Fanahy Masina no niara-dàlana sy nampahery antsika hiasa ary nampiray fo ary mbola nahatonga antsika niara-nisalahy eny fa hatramin’ny fampirimana ny trano na dia efa samy reraka aza.
Ny voninahitra anie dia ho an’I Jeso Kristy Tompon’ny Fiangonana amin’izay Asa rehetra vita.
Ny filoha sy ny Birao SLK SP37
