AG1 2026 : Fivoriambe voalohany 2026
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny 28 Martsa 2026 lasa teo ny Assemblée Générale na Fivoriambe voalohany amin’ity taona 2026 ity ny Sampana SLK eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana. Hampitaina amin’ny mpikambana tsirairay avy ny tatitra momba izany amin’ity volana Aprily ity.
10 Mey 2026 : Alahadin’ny SLK Foibe
Ho tanterahina ny Alahady 10 Mey ho avy izao ny Alahadin’ny SLK Foibe eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana. Hisy ny Asa Vavolombelona hanamarika izany. Manentana sahady ny mpikambana rehetra ny hiomana ny amin’izany. Hampitaina antsika mpikambana ny andinindininy.
