BONNE ANNEE 2026 – 17 JANOARY 2026
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026, tamin’ny Sabotsy 17 Janoary 2026 lasa teo, tany Scientrier. Niavaka ny fiarahana tamin’ity taona ity satria raha natao niaraka tamin’ny Sampana SLK izany isan-taona, dia niova ho niaraka tamin’ny fiangonana rehetra. Nisy ny:
- Fampianarana nataon’ny Mpitandrina
- Fiarahana misakafo nifampizarana
- Lalao isan-karazany
- Fifanankalozana fanomezana noho ny taona vaovao
Isaorana ny tokantranon’i Vero sy Hery tamin’ny fandraisana sy fikarakarana maro samihafa.

