BONNE ANNEE 2026 – 17 JANOARY 2026
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026, tamin’ny Sabotsy 17 Janoary 2026 lasa teo, tany Scientrier. Niavaka ny fiarahana tamin’ity taona ity satria raha natao niaraka tamin’ny Sampana Dorkasy izany isan-taona, dia niova ho niaraka tamin’ny fiangonana rehetra. Nisy ny:
- Fampianarana nataon’ny Mpitandrina
- Fiarahana misakafo nifampizarana
- Lalao isan-karazany
- Fifanankalozana fanomezana noho ny taona vaovao
Isaorana ny tokantranon’i Vero sy Hery tamin’ny fandraisana sy fikarakarana maro samihafa.

AG1 2026 : Fivoriambe voalohany 2026
Mampatsiahy antsika mpikambana SLK eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana fa hotanterahina ny 28 Martsa 2026 ho avy izao ny Assemblée Générale na Fivoriambe voalohany amin’ity taona 2026 ity. Hampitaina amintsika rehetra ihany ny andindininy momba izany.
Hisy ihany koa ny fampianarana hiarahana amin’ny Mpitandrina amin’ny volana Martsa ho avy izao. Hampitaina amintsika rehetra ihany koa ny andindininy momba izany.
