« Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » ( I Kor 15 : 58 d)
TATITRY NY Fivorian’ny KOMITY LEHIBE 2024-2028
Sabotsy 1 novambra 2025.
Alte Schmiede 1-12, 72555 Metzingen Stuttgart,
Germany ( Motorworld village Stuttgart), @ 10 ora alina-12 ora sy sasany alina
Mitarika : Ireo biraon’ny SP VFA 37
- Atoa Zarazaka Jean Louis, Mpit, Filoha
- Atoa Razakanirina Ranaivo Mahaleo, Filoha mpanampy
- Rtoa Randriamahazaka Selasoa, Mpit, mpitantsoratry ny fivoriana
- Rtoa Razafindramboa Zolinirina, mpitahirivola
- Atoa Rakotonarivo Mandresy Mahavalisoa, mpitantsoratry ny vola
- Atoa Rahandrifenosoa Tahina, Mpit, mpanolotsaina
Lahadinika sy famintinana:
1.TATITRA SY FAMPAHAFANTARANA
1.1.Tatitry ny fivoriana teo aloha
1.2. Tatitry ny asa vita ( 2 martsa- 30 oktobra 2025)
1.3. Fampahafantarana samihafa
- Momba ny Fiangonana
- Fampahafantarana: hisy ny fivoriana “tripartite” eo @ FPMA, FLM, FJKM
- Misokatra sy miara-miasa amin’ny Fiangonana aty an-toerana ( Malagasy sy Eoropeana)
- Nisy ny fampirantiana natao tany @ Synoda Lehibe izay isaorana antsika Fiangonana sy Sampana izay nandefa ny sary.
- Nalefa any @ Foibe ny tatitra samihafa momba ny Fiangonana nangatahana tamitsika
- Momba ny mpiasa
- Fandraisana mpiasa vaovao voatendry (efa tany aloha fa izao vao tonga) : Razafindrasata Rova Samoelina, Mpitandrina
- Rabearison Hanta Lalasoa, Mpitandrina, nirahina hiahy ny FJKM Nantes Fanantenana
- Andriamihaja Lanto, Mpitandrina tonga manohy fianarana : Master any @ Université Bonn
- Razafindrakotofanjarivelo Perle Raymonde : Mpitandrina tonga manohy fianarana ao Allemagne
- Momba ny vola
- Foibe : karatra « kristiana mahafoy »: nisy ny nahavita ka efa nandrotsaka, manentana izay mbola tsy nahavita
- Nisy taratasy tolotanana momba ny fitsaboana ny Mpitandrina Razafiarisoa Juliette, Talen’ny TPM Ivato : nisy ny nahavita ka efa nandrotsaka dia isaorana be dia be, manentana izay mbola tsy nahavita
1.4. Tatitry ny mpandinibola
2. RAHAHARA HANAPAHAN-KEVITRA
2.1. Momba ny Fiangonana
- Herinandro masina : Misy ny fandaminana vaovao izay tapaky ny MD ary neken’ny KL: atao faritra 3 ny alakamisy masina (faritra afovoany, avaratra, andrefana), samy manao fanompoam-pivavahana ny Fiangonana amin’ny andro hafa.
- Fanokanana Fiangonana: Neken’ny MD ary nankatoavin’ny KL ny hanokanana ho Fiangonana FJKM ny Vomm Bayern, Vomm Luxembourg amin’ny taona 2026
2.2. Momba ny mpiasa
Fanendrena sy fanirahana
- Tendrena ho Mpitandrina raikitra ao ny Mpitandrina Rajaonah Lalaina (nisy taratasy fangatahana Mpitandrina avy amin’ny FJKM Peniela Fitiavana ( 20 oktobra 2025).
- Irahina ho mpiahy ny FJKM Rennes Laval sy Brest i Pst Razafinarivo Andriatsilavina Nofy
2.3. Momba ny vola : tetibola 2026
Tatitry ny mpandinibola ( toe-bola janoary hatramin’ny septambra 2025) (cf. tahirin-kevitra mipaingotra)
- Notanterahin’ Atoa Tovo Razafimahefa sy Atoa Rakotoalisoa ny tatitra ara-bola
- Neken’ny MD ny tatitry ny mpandinibola ary nankatoavin’ny KL.
Fanolorana ny tetibola 2026 (cf. tahirin-kevitra mipaingotra)
- nolaniana ny tetibola 2026 izay notapahin’ny MD
- marihina fa tsy niova ny adidy aloan’ny isam-pitandremana
3. FIFIDIANANA
- Fifidianana mpandinibola
- Ireo lany mpandinibola : AtoaRanarisoa Nivoary, AtoaRakotoalisoa Nirina, Atoa Razafimahefa Tovo, Atoa Ratsifandrihamanana Nivoson
Toe-bolan’ny Synaodaparitany VFA37 amin’ny daty 30/09/2025
- Totaly vola niditra 30/9/2025: 28 304.56 Euros
- Totaly vola nivoaka 30/9/2025: 26 195.92 Euros
- Ny sisa antanana 30/9/2025: 2 108.64 Euros
- Vola tao banky « LCL » 1/1/2025: 19 318.01 Euros
- Tao kitampo-bola 1/1/2025: 147.70 Euros
Solde 30/9/2025: 21 574.35 Euros
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!
