Hotanterahina ny faha-15 ka hatramin’ny faha-22-n’ny volana oktobra 2025 ho avy izao ny fivoriana voalohan’ny Mpiandraikitra Foibe vaovao izay voafidy taorian’ny Synoda Lehibe tany Taolagnaro lasa teo.
Mandritra izany fivoriana izany no apetraka ireo rindran-damina rehetra entina manatanteraka ny vinan’ny FJKM, taona 2025-2029, izay tapaky ny Synoda Lehibe faha-XX.
Ny alahady 19 oktobra 2025, manomboka amin’ny 10 ora maraina, no ho tanterahina ao amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao ny fametrahana araka ny fomban’ny fiangonana ny Filohan’ny FJKM vaovao, ny Biraon’ny Mpitandraikitra Foibe miara-miasa aminy ary koa ireo Mpiandraikitra Foibe zato (100).
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.