Synoda Lehibe faha-XX 1/2

Notanterahina tany Taolagnaro, ny 13 ka hatramin’ny 20 aogositra lasa teo, tao amin’ny FJKM Salema Vaovao, ny Synoda Lehibe faha-XX. Ny Synoda Lehibe (SL) no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra eo amin’ny FJKM ary ny SL no manapaka ny vina ho tanterahina mandritra ny efa-taona manaraka (2025-2029).

Toy izao amin’ny ankapobeny ny endriky ny fandaharam-potoana notanterahina tany an-toerana:

  • Nisy ny fanompoam-pivavahana fanombohana
  • Isan’andro dia misy ny maraim-baovao sy ny fanompoam-pivavahana
  • Fifidianana ireo Biraon’ny Synoda Lehibe
  • Fanatanterahana ny tatitra avy amin’ireo Komity teo amin’ny Mpiandraikitra Foibe (MF) am-perinasa
  • Nisy ihany koa ireo famelabelaran-kevitra notanterahina:
    • Momba ny calvinisme
    • Momba ny fikojakojana ny tontolo iainana
    • Momba ny fahaizana mitantana.
  • Nidirana ireo asan’ny vaomiera izay mijery akaiky ireo vina mandritra ny 4 taona. Ireto avy ireo vaomiera natsangana tamin’izany:
    • Vaomiera momba ny Fiangonana
    • Vaomiera fanitsiana Foto-dalana sy Fitsipika
    • Vaomiera momba ny Sekoly
    • Vaomiera momba ny fiainam-pirenena
    • Vaomiera momba ny mpiasa sy ny vola
    • Vaomiera momba ny fampamokarana sy ny fananana.
  • Fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fifidianana
  • Niditra tamin’ny fanapahan-kevitra “pléniaire” avy amin’ny asan’ny vaomiera tsirairay avy.
  • Nanatanteraka ireo fifidianana rehetra: MF Mpitandrina, MF Laika, MF Mpampianatra (nisy hatrany ny fihodinana voalohany sy faharoa), fifidianana MF solontena Synodamparitany, Fifidianana ny Filohan’ny FJKM, Fifidianana ireo Biraon’ny MF.
  • Nofarananana tamin’ny fanompoam-pivavahana famaranana izany.

Nisy teo amin’ny 540 teo ireo mpandray anjara tamin’izany Synoda Lehibe izany.

Santionan-tsary vitsivitsy: