Indro ampitaina amintsika ry havana ny fandaminana izay tsara ho fantatra momba ny fivoriamben’ny SP37 ny 1 sy 2 novambra 2025 misy antsika
Lohahevitra: « Fa ny fanantenana no namonjena antsika…» (Romana 8:24a)
Mpandray vahiny: FJKM Stuttgart Fahazavana sy ny VOMM any Allemagne
Toerana hivoriana sy hiofanana : Alte Schmiede 1-12, 72555 Metzingen Stuttgart, Germany. (Motorworld village Stuttgart).
Mila misoratra anarana isika rehetra izay hanatrika ny fivoriambe ka ny rohy fisoratana anarana dia hitantsika ao amin’ny tranokalan’ny fiangonana. Marihina fa ireo izay efa nisoratra anarana taty amin’ny biraompiangonana dia mbola mamerina misoratra anarana amin’ny alalan’ilay rohy https://forms.gle/X4UnxZes7dN8FXiQ9
Izany hoe mila misoratra anarana indroa isika
1- Aty amin’ny biraompiangonana ho fandaminana ny fikarakarana eto amintsika
2- Eo anivon’ny SP37 amin’ny alalan’ilay rohy.
Ny zava-baovao amin’ity taona ity ry havana dia ny fisian’ny saran-dasy izay mitentina 5 euros isan’olona izay hefaina amin’ny fotoana fahatongavana, mba hanampiana ny mpandray vahiny, omena miaraka amin’izany ny tapakila sakafo Sabotsy atoandro sy hariva, ary ny sakafo alahady atoandro.
Hisy fitsidihana samihafa atao ny sabotsy hariva amin’ny 2 ora 30 hatramin’ny 5 ora 30, ho an’ny mpanatrika ny fivoriana izay tsy ao anatin’ny Komity lehibe. Ohatra amin’izany, ny fitsidihana ny tanànan’i Stuttgart, Mercedes-Benz, musée sns… Mbola hisy fandaminana halefa mahakasika izany aoriana.
Ny Takariva mahafinaritra dia hafanain’ireo Sampana velona eto amin’ny SP37 miaraka amin’ireo VOMM rehetra manerana ny Synodamparitany, ka ny Biraon’ny Synodam-paritany sy ny mpandray vahiny no hanao ny fandaminana mahakasika izany.
Ny fiofanana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra dia hizara telo: Ankizy – Tanora – Lehibe.
Mandritra ny sakafo ny sabotsy atoandro sy ny sabotsy hariva ary ny alahady atoandro no handray anjara ny Fitandremana, izay noferana tsy hihoatra ny 5mn (Hira ara-pilazantsara na dihy mirindra midera ny Tompo na Fanentanana,…).
Hisy koa ny fahafahana manao sponsoring, koa manasa anareo orinasa te-hanatanteraka izany, mba hifandray amin’ny Birao SP na ny komity mpanomana, handray ny fepetra sy ny andinindininy rehetra.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fandaminana samihafa dia afaka mifandray mivantana amin’ny mpandray vahiny amin’ny alalan’ny mailaka izay hitantsika ihany koa ao amin’ny tranokalan’ny fiangonana.
Tiana ny mampita amintsika fa efa misy 29 isika izao no nisoratra anarana ary mbola manentana ny hafa rehetra. Ny fe-potoana fisoratana anarana dia ny alakamisy 31 jolay 2025 izao. Efa misy ny hotely hivatanantsika rehetra ary mitentina 50chf isan’olona ny fandraisana anjara, miainga zoma ary miverina ny alahady, efa hisy ihany koa ny fiara iombonana hitatitra antsika fa ny andinindininy momban’ny fiara dia ampitaina amintsika rehefa fantatra ny isantsika. Dia manentana antsika rehetra hatrany ny amin’ny firaisan-kina sy ny fiombonana eo anivon’ny SP misy antsika.
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!
Amin’ny anaran’ny Birao FJKM Gland Fahasoavana