Tanterahina any Paris ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 oktobra ny isan-kerintaonan’ny Synodamparitany. Raisin’ny FJKM-Montrouge Paris ny fotoana amin’ity taona ity.
Ao amin’ny Salle Polyvalente, Avenue Alphonse Martin, 91510 Janville-sur-Juine no hotanterahina ny fotoana.
Tahaka ny fanaontsika isan-taona dia hisy fandaminana sy tetibola manokana atokan’ny fiangonana ho antsika rehetra izay maniry hanatrika io fotoana io.
Koa entanina dieny izao isika ry havana hisoratra anarana any amin’ny Biraompiangonana hahafahana mandefa ny isantsika any amin’ny fiangonana mandray. Ny daty farany fisoratana anarana eto amintsika dia ny alahady 25 septambra 2022 (amin’ny alahady fahaefatra izao).
Adiresy fifandraisana amin’ny fisoratana anarana: bureau@fjkm-gland.ch, 0041 76 433 35 25