19 Octobre 2025 : Fametrahana Mpiandraikitra Foibe

“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” (I Kor 15:58b)

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara tamin’ny Alahady 19 Oktobra lasa teo tamin’ny 10 ora maraina ny fanompoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka sy fametrahana amin’ny fombam-piangonana ireo Tomponandraikitra rehetra voafidy hitantana ny FJKM mandritra ny 4 taona manaraka (2025-2029).

Isan’ireo Tomponandraikitra napetraka tamin’izany fotoana izany : Ny filohan’ny FJKM, ireo biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Mpiandraikitra Foibe ary ireo Mpanantanteraka.

Izany fotoana izany dia nanasàna ny mpianakavin’ny finoana rehetra, ary natao tao amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao Synodamparitany Antananarivo atsinanana.

Ireto ny mpanompon’Andriamanitra voafidy handrafitra ny biraon’ny mpiandraikitra foibe mandritra ny taom-piasana 2025-2029 :

Filoha : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
Filoha Mpanampy Mpitandrina : RAKOTONAVALONA Maholy
Filoha Mpanampy Laika : RAZARASOA Timoty
Mpitahirivola : DISAINE Lala
Mpanolotsaina Mpitandrina : RADIMISAON Andriamasinjara Jonah
Mpanolotsaina Laika : RANDRIAMASINORO Tahiry Ny Rina

Ho an’Andriamanitra Irery anie ny Voninahitra!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *