Finoana – Fahasoavana – Fitoriana
« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana,… koa mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ». Efe 2:8a, Mar 16:15.
Ry havana,
Miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo.
Isaorana an’Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny alahady 12 jona 2022 lasa teo ny fanokafana ny faha-15 taonan’ny Fiangonana misy antsika.
Tiana ankehitriny ny mampita ny fisaorana feno fankasitrahana antsika tsirairay avy, antsika fianakaviana tsirairay avy izay niaraka nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka nahatomombana ny fikarakarana iny tontolo andro iny.
Misaotra antsika tamin’ny firaisan-kina izay nasehontsika teo amin’ny fanomanana, ny fivoriana, ny fikarakarana sy ny fandaminana. Misaotra indrindra tamin’ny fandraisana anjara mavitrika nasehontsika tamin’ny fomba maro samy hafa sy samihafa.
“Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. Hebreo 6:10a
Ialana tsiny ihany koa tamin’ireo zavatra tsy tomombana.
Indro ampitaina amintsika ny vokatry ny fifaninanana sary famantarana na logo.

Mba ahafahantsika manamafy ny fiombonantsika isaky ny fanompoam-pivavahana dia indro ny rohy ahafahantsika mihaino ny hira faneva
Hira faneva
Manentana antsika ihany koa ry havana amin’ireo hetsika sy fandaharana ho atrehantsika mandritra ny fankalazana. Ny ivon’ny fankalazana dia amin’ny Krismasy ary ny famaranana dia amin’ny alahady 11 jona 2023.
Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo.
Amin’ny anaran’ny Komity faha-15 taona.