Hira faneva
FINOANA – FAHASOAVANA – FITORIANA
1. Mankasitraka ry Ray noho ny Fitantananao
Afaka nijoro ny Fiangonanao
Ka miredareda hatrany, tsy avelanao
‘Lay finoana Anao, miorim-paka ao
2. Ny Fahasoavanao no toky ‘zay anananay
Na tamin’ny andro lasa, ny ho avy mbola tsy hay
Na oram-pifaliana, na sedra mahamay
Tsy mba diso anjara ny fiombonanay
3. ‘Ndreto izahay Jesoa ô mba ho irakao
Hitory hatrany hatrany ny Voninahitrao
Ho vavolombelon’ny Fitiavanao
Ho mendrika hitory ny Anaranao
Refrain (miverina in-droa amin’ny tonony fahatelo):
Fa ny Finoana tsy miambatra (tsy miambatra)
Ny Fahasoavana mitambatra (io no mitambatra)
Mamela anay hamahatra
Hitory hatrany (hitory tsy) tsy mitsahatra

Sary famantarana (logo)
Mahafaly ny Komity faha-15 taona ny manolotra antsika ny sary famantarana voafidy taorian’ny fivorian’ny mpandray tamin’ny 22 may 2022 lasa teo.

Hira faneva
Eo am-panatanterahana ny fifidianana ny hira faneva ny Komity ankehitriny. Atolotra hianarana amin’ny alahady 5 jona ny hira faneva. Manentana anao ho avy amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro ahafahantsika mianatra ny hira faneva.